Luke 13

1Tamin’izany andro izany, nisy olona sasany teo nilaza taminy ny momba ireo Galiliana izay ny ràn’izy ireo no nafangaron’i Pilato tamin’ny sorony manokana. 2Namaly Jesosy ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Ianareo ve mieritreritra fa ireo Galiliana ireo dia mpanota mihoatra noho ireo Galiliana hafa rehetra satria nijaly tahaka izany? 3Tsia, Izaho miteny anareo. Fa raha tsy mibebaka ianareo, ianareo rehetra dia ho faty tahaka izany.

4Na ireny olona valo ambin’ny folo tao Siloama izay nianjeran’ny tilikambo ka nahafaty azy ireo, mieritreritra ve ianareo fa tena mpanota ratsy mihoatra noho ireo lehilahy hafa tao Jerosalema ireny? 5Tsia, hoy Aho. Fa ianareo raha tsy mibebaka, ianareo rehetra ihany koa dia ho faty.”

6Jesosy nanao izao fanoharana izao hoe: “Nisy olona nanana hazon’aviavy iray novolena teo amin’ny tanim-boalobony ary tonga izy ary nizaha voankazo teo aminy nefa tsy nahita na inona na inona. 7Ilay lehilahy dia niteny tamin’ny mpanao zaridaina hoe: ‘Indro, tonga teto aho nandritra ny telo taona ary niezaka nitady voa tamin’ity hazo aviavy ity kanefa tsy nahita mihitsy. Kapao io. Nahoana io no avela manimba ny tany?’

8Namaly ilay mpanao zaridaina ka niteny hoe: ‘Avelao ho eo io aloha amin’ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy sy hanasiako zezika eo aminy. 9Raha mamoa izy amin’ny taona manaraka, tsara; fa raha tsy izany, dia kapao izy!’”

10Ary Jesosy nampianatra tao amin’ny iray tamin’ny Synagoga nandritry ny Sabata. 11Indro, nisy vehivavy iray izay nanana ny fanahy ratsin’ny fahalemena nandritry ny valo ambin’ny folo taona teo, ary izy dia nivokoka ary tsy nahavita nijoro tsara.

12Nony nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka niteny hoe: “Ry vehivavy, afaka amin’ny fahalemenao ianao.” 13Napetrany teo aminy ny tanany, ary niaraka tamin’izay dia nitraka ilay vehivavy ary nihoby an’Andriamanitra. 14Saingy ny mpanapaky ny Synagoga dia tezitra noho ny fanasitranana nataon’i Jesosy tamin’ny Sabata. Noho izany dia namaly ilay mpanapaka ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Misy enin’andro izay tokony iasana. Tongava ka sitràna, fa kosa tsy amin’ny andro Sabata.”

15Ny Tompo namaly azy ka niteny hoe: “Ry mpiatsaravelatsihy! Moa ve tsy samy mamaha ny boriky na ny ombiny ao amin’ny valany ianareo ka mitondra izany hisotro rano amin’ny Sabata? 16Ary toy izany koa ity zanakavavin’i Abrahama, izay voafatotr’i Satana nandritry ny valo ambin’ny folo taona ity, tsy tokony mba ho vahana ve ny fatorany amin’ny andro Sabata?”

17Ary raha nilaza izany zavatra rehetra izany Izy, dia menatra ireo rehetra izay nanohitra Azy, fa ny vahoaka iray manontolo dia faly noho ireo zavatra rehetra malaza nataony.

18Ary Jesosy niteny hoe: “Toy ny ahoana ny fanjakan’Andriamanitra, ary toy ny inona no afaka anoharako izany?” 19Izany dia toy ny voatsinampy izay nalaina sy nafafin’ny lehilahy iray teo an-jaridainany, ka lasa hazo lehibe iray, ary ny voron’ny lanitra dia nanamboatra ny tranony teo amin’ireo rantsany.”

20Mbola niteny ihany Izy hoe: “Inona no afaka hampitahako ny fanjakan’Andriamanitra? 21Izany dia toy ny masirasira izay nalain’ny vehivavy iray ka nafangarony tamin’ny koba in-telon’ny famarana mandra-piparitahany ao anatin’ny koba rehetra.”

22Jesosy dia nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra tsirairay teny an-dàlana mankany Jerosalema ary nampianatra azy ireo. 23Nisy anankiray niteny taminy hoe: “Tompo, moa ve vitsy ny olona no ho vonjena?” Ary hoy izy tamin’izy ireo hoe: 24“Miadia ny hiditra ny varavarana tery ianareo, satria, Izaho miteny aminareo, maro no te-hitsofoka, fa tsy ho afaka ny hiditra.

25Rehefa injay mitsangana ilay tompon-trano ary manidy ny varavarana, dia hijoro ao ivelany eo ianareo ka handondona ny varavarana ary hiteny hoe: ‘Tompo, Tompo, ampidiro izahay.’ Izy hamaly ka hiteny aminareo hoe: ‘Tsy fantatro ianareo na ny fiavianareo.’ 26Ary hiteny ianareo hoe: ‘Nihinana sy nisotro teo anoloanao izahay, ary Ianao efa nampianatra teny an-dalambenay.’ 27Fa Izy dia hamaly hoe: ‘Milaza aminareo aho, tsy fantatro izay fiavianareo. Mialà eto amiko, ianareo mpanao ratsy!’

28Hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rehefa indro ianareo mahita an’i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminany rehetra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, saingy voaroaka any ivelany ianareo. 29Izy ireo dia ho avy avy any atsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimo ka hipetraka eo amin’ny latabatry ny fanjakan’Andriamanitra. 30Fantaro izao, ireo izay tsy dia manan-danja no ho voalohany, ary ireo izay tena manan-danja no ho farany.‘’

31Taoriana kelin’izany, nisy Fariseo sasany tonga ary nilaza taminy hoe: “Mandehana ilaozy ny eto satria Heroda dia te-hamono Anao.” 32Jesosy niteny hoe: “Mandehana ary lazao izany amboahaolo izany hoe: ‘Indro, izaho mandroaka demonia sy manao fanasitranana anio sy rahampitso, ary amin’ny andro fahatelo dia ho tratrako ny tanjoko.’ 33Na inona na inona mitranga, zava-dehibe amiko ny manohy anio, rahampitso, sy ny andro manaraka, satria tsy azo ekena ny famonoana ny mpaminany lavitra an’i jerosalema.

34“Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato ireo izay nirahina tany aminareo. Impiry aho no naniry ny hanangona ny zanakareo tahaka ny akoho vavy manangona ny zanany ambany elany, kanefa tsy naniry izany ianareo. Indro, nilaozana ny tranonareo. Izaho dia miteny aminareo, tsy ho hitanareo Aho ambara-pitenenanareo hoe: “Sambatra izay avy amin’ny anaran’ny Tompo.”’

35

Copyright information for PltULB